Ny Profesora Malagasy moa nanana ny maha izy azy tamin’izany fotoana izany,
ary mampalahelo amin’izao fotoana izao fa tsy misy intsony izany profesora tena hoe : mahay !», hoy Rtoa Lova Ranoromaro. Fanehoan-kevitra nandritra ny fandaharana manokana tamin’ny pejim-baovao amin’ny tambajotran-tserasera iray. Tompon’andraikitra ara-panjakana ambony, Talen’ny Seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika, mpitondra tenin’ny Filohan’ny Repoblika no manao teny tahaka izany, izay na tiana na tsy tiana dia mitondra ny feon’ny fitondrana Rajoelina ilay tompon’andraikitra ambony. Nisy ny fanazavana sy ny fialan-tsiny nataon’io tompon’andraikitra io, izay « nampiantso » ny Minisitry ny fampianarana ambony Pr Chaminah Loula sy ny Filohan’ny SECES Faliarivony Randriamialinoro, ka nilazana fa fanamafisana ny tetikasa miambon’ny Filoham-pirenena amin’ny fanamafisana ny fiofanana hampitomboana ny fahaiza-manaon’ny Profesora Malagasy mpitsabo no tena nataony, fa tsy nieritreritra hanamaivana ny fahaiza-manaon’ny Profesora Malagasy. Mety nanana ny eritreriny miabo izy, saingy niteraka fanafintohinana lehibe ho an’ny olobe samihafa, indrindra ireo manam-pahaizana Malagasy iny. Lasa taratry ny fanamaivanana ireo manam-pahaizana sy mpikaroka eto Madagasikara, fanamaivanana ny fampianarana, fanaovana tsinontsinona ireo mpampianatra mamolavola ny zanaka Malagasy,… Satria ny zanaky ny mpitondra tsy ampianarina eto ? Satria ny mpitondra sy ny fianankaviany tsy tsaboina eto raha marary ? Ho sahy hanala an’i Lova Ranoromaro ve i Andry Rajoelina sa miombon-kevitra aminy satria mpitondra teniny rahateo io?
NANEHO NY ALAHELONY IREO MANAM-PAHAIZANA
Naneho ny hevitra nanoloana an’iny ny SECES Antananarivo, ka nilaza fa tohina tanteraka eo anatrehan'ny tsy fahombiazana maro sosona sy fanao mamohehatra ka manala baraka sy mampietry ny firenena Malagasy eto anivon'izao tontolo izao. Heverinay sy irarianay SECES hoe enga anie ka nahim-pony samirery iny fa tsy an'ny Fitondram-panjakana iray manontolo. Manimba sy manohintohina ny hasim-pirenena ny toy ireny. Eo anatrehan'izany fanehoan-kevitra sy fanaovana safobemantsina ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra izany dia mitaky fialan-tsiny. « Ny tsy fanajana sy fanambaniana ny mpampianatra dia taratry ny fahalavoan’ny fiarahamonina marary. Ny tsy fahalalana, tahaka ny siansa, dia tsy manam-petra., hoy ny Pr Assoumacou Béatrice izay vao avy Minisitra tao anatin’ny Fitondrana Rajoelina. « Izahay Profesora dia sahala amin'ny tsy misy. Ka inona moa izany no andrasana amin'ny tsy mahay? Izy rahateo Mpitondra tenin'ny lohan'ny Firenena, izany hoe atidohan'ny firenena. Ka izay no fijeriny, dia efa mangina ny tsy misy. Ny aotra telo sosona : mangina, tsy misy, tsy mahay.", hoy kosa i Pr Rakotondrajao Fanja Mpampianatra mpikaroka-Matematika. « Ilay rafi-pampianarana misy ny fitondran’ny Filoha amin’izao izany no tsy mahomby. Ny fampianarana mihitsy no tsy mety ! Karazana mamely ihany ny olona miara-dia amin-dry zareo, ny Minisitry ny fahasalamana izao profesora. Mandrora mitsilany ihany, tsy dia ampy traikefa ara-politika sy arak’asa, tsy tokony hipetraka amin’ny toerana tahaka ireny. », hoy i Pr Ralison Roger.
« MBA ANKASITRAO NY ZAVA-BITAN’IZY IREO ! »
Nahitsy kosa i Pr Jonah Ratsimbazafy nilaza hoe : « Tsy afeniko fa tena tohina sy nalahelo ireo mpampianatra namana, indrindra ireo profesora. Raha heverina fa raha mpitondra Fanjakana izany dia Raiamandreny, ka raha ny Raiamandreny no manao teny izay mankarary ny zanaka kanefa fampaherezana no andrasana amin’ny 0 ,01% no omena ny mpikaroka Malagasy kanefa mahavita zavatra mampitolagaga ny vahiny. Fampaherezana no andrasana fa tsy fandranitana. Ankasitrahan’ny filoham-pirenena ve izany raha ny olona akaiky anao no manambany ny mpikaroka Malagasy. Izaho mba miteny hoe : ankasitrao ny zava-bitan’izy ireo. ».
« NA IZY ESORINAO ! NA IANAO ESORINAY ! »
« Prezidan’ny SADC ! Na izy esorinao, na ianao esorinay" , hoy kosa i Patrick Raharimanana. Ireo niveau BEPC indray, hoy izy, no miteny fa tsy misy intsony izany Profesora mahay izany izao. Tsy mahagaga ianareo raha tsy mahita ireo profesora ireo, ka ny tongotrareo tsy mbola nanitsaka izany « esplanade » sy « demi-tonneau. Tofoka anareo izahay. Isika nianatra koa, aoka zay fiaretana baikoan'olona tsy nianatra izay. Ça suffit. Rehefa manaiky angeren'olona antam-pondoha, dia marina ihany ny azy hoe, eto dondrona daholo, satria efa angerena mbola manaiky foana hoy hatrany i Patrick Raharimanana .
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.