Fanamaivanana ny fampianarana

Nahery vaika ny hetsiky ny mpianatra omaly


  • Alarobia 15 Novambra 2023

Nidina an-dalambe nanakan-dalana sy nandoro kodiarana indray ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo omaly.

Nanamafy ny fitakiany ny mba hamahana ny olan’ny fampianarana ambony izay miantraika amin’izy ireo. Noho ny tsy famahana ny olan’ny mpampianatra moa, dia mikatso tanteraka ny fampianarana, efa ho efatra vola izao. Anton’io ny tsy fanefana ny tambin-karama sy ora fanampin’ny mpampianatra izay efa hatrany amin’ny 2018-2019. Manamafy ireo mpianatra fa olana goavana avy amin’ny Fanjakana no anton’izao. Nanapa-kevitra moa ny Filankevitra siantifika eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo fa hofaranana amin’ny 18 desambra ny taom-pianarana. Miezaka ny haka toky eo anatrehan’ny filazana fa miverina ny fampianarana manomboka alatsinainy, hivory ho an’ny anio, manantena fa hiverina daholo ny fampianarana fa tsy ho sadasada, ka mbola hanatitra ny tompon’andraikitra ihany koa. Mitohy ny fitokonana, hoy izy ireo, rehefa misy ny zavatra tsy milamina, ka niantsoan’izy ireo ny hanozana hasina sy hajany ny fampianarana ambony. Nisy ihany koa ny fampivorian’ny Minisitry ny fampianarana ambony ireo sojabe sy tompon’andraikitry ny sampam-pampianarana samihafa omaly, taorian’ny toromariky ny mpitondra ambony izay nanome baiko ny hanasaziana ireo mpampianatra nambara fa manao fitokonana tsy ara-dalàna sy nolazaina fa efa tsy fitakiana sendikaly intsony, fa politika. Mandeha ny fandrahonana hanapaka karama.

« Ny mpiara-miasa amin’ny tena hotapahana ny karamany. Ny ora fanampiny tsy voaloa efa telo, dia mbola hotapahana ihany koa ny karamany. Olana ny jirama, toeram-pampianarana ambony kanefa tsy misy jiro. Ny mpampianatra an-tselika tsy mandray karama. Maninona raha ny olana no vahana fa tsy ny karama indray no tapahana ? », hoy i Tahina Razafinjoelina kandida Filoham-pirenena fa mpampianatra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo ihany koa, izay naneho fa mila homena hasiny ny fampianarana raha te handroso isika.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT