FANADINANA FIFINDRA-KILASY

Tsy mahazo miatrika izay tsy mahaloa saram-pianarana


  • Alarobia 05 Jona 2024

Saika hifarana amin’ity volana Jona ity avokoa ny taom-pianarana 2023-2024 ho an’ireo

sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana manerana ny Nosy. Hiditra amin’ny fanadinana fifindran-kilasy araka izany ireo mpianatra voakasika manomboka amin’ny Alatsinainy 10 Jona ho avy io raha hanomboka ny datin’ny 18 Jona kosa ny fanadinam-panjakana ho an’ny sokajy CEPE. Efa saika miomana amin’izany avokoa ny ankamaroan’ny sekoly indrindra fa ireo tsy miankina. Mikasika ireto farany manokana dia fantatra fa nandray fepetra izy ireo ho an’ireo mpianatra ao aminy. Tsy afaka miatrika ny fanadinana fifindran-kilasy mantsy izay tsy mahaloa saram-pianarana amin’ity herinandro ity ho fitsinjovana ireo mpampianatra. Tsy maintsy mbola karama feno raha araka ny fanadihadiana natao no aloha ho an’ireto farany na dia hifarana mialohan’ny 18 Jona ho avy izao aza ny taom-pianarana. Nomarihin’ny talen-tsekoly iray moa fa maro amin’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra no mody fanina raha vantany vao vita ny fanadinana fifindran-kilasy ho an’ny zanany ary matetika dia hafindrany kilasy mihitsy ilay zaza avy eo. Ekena hoy izy fa tena sahirana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy saingy na izany aza tokony hahatsapa ihany koa ny rehetra fa mavesatra ny adidy hatrehin’ny sekoly indrindra fa ny fanampiana ireo mpampianatra izay tsy afaka hiasa ara-dalana mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra lehibe, antony tsy maintsy handraisan’izy ireo izao fepetra izao.
Pati
Legende : Atahoran’ny sekoly hitsoaka ny mpianatra rehefa vita ny fanadinana fifindran-kilasy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT