Fampianarana

Fanadinana enim-bolana faharoa CNTEMAD Mpianatra 18.000 no hiatrika izany


  • Alarobia 17 Oktobra 2018

Mpianatry ny sekolim-panjakana Cntemad miisa 18.000 no hiatrika ny fanadinana enim-bolana faharoa ny 22 ka hatramin’ny 26 oktobra ho avy izao manerana ny Nosy.

 

 

 

Tafiditra ao anatin’ny fanarahana ny rafitra LMD izay napetraky ny fanjakana ny fanatontosana izany, raha araka ny fanazavan’Atoa Djohary Andrianambinina, talen’ny sekoly. Mpianatra avy amin’ireo distrika 44 isa manerana  ny Nosy ireo raha araka ny fanazavany hatrany efa mihoatra ny isan’ireo faritra misy eto amintsika satria sekolim-panjakana miezaka manakaiky ny vahoaka ny Cntemad. 72 taona no zokiny indrindra  manovo fahalalana amin’ireo mpianatra ao amin’ity sekolim-panjakana iray ity, hoy hatrany izy raha 15 taona no zandriny indrindra. Nomarihiny manokana moa fa azon’izy ireo raisina avokoa rehefa olona manana ny mari-pahaizana Bakalôrea vonona ny hanohy ny fianarany. Rehefa mahay mantsy ny olona iray hoy Atoa Djohary Andrianambinina dia mandroso ho azy ny fari-piainany, paikady iray hahafahana miady amin’ny fahantrana eto amintsika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT