Fampianarana

Fanadinana CEPE teny Atsimondrano Tafakatra 80,23 % ny salam-pahafahana


  • Alatsinainy 20 Aogositra 2018

Tsy niandry ela fa nivoaka ny sabotsy teo ihany koa ny voka-panadinana CEPE ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Atsimondrano. Tafakatra 80,23 % ny vokatra raha araka ny fanadihadiana natao raha 56,68 % tamin’ny taon-dasa.


 Ny ZAP Ambatofahavalo, raha araka fanazavan’ny lehiben’ity fari-piadidiam-pampianarana iray ity no tena nahazoana vokatra tsara indrindra satria dia ny 5 %-n’ireo mpiadina niatrika fanadinana CEPE tao aminy monja no tsy afaka. 75 % kosa ny salam-pafahafahana ho an’ny ZAP Itaosy raha ny ny ZAP Ampanefy no nahitana taham-pahafahana ambany indrindra. Tsiahivina fa 9,25 amin’ny 20 no naoty nanafahana ireo mpiadina niatrika ny fanadinana CEPE tamin’ity taona ity raha miankina amin’ny isan’ireo mpianatra azon’ireo CEG nanaovan’ny mpiadina fangatahana raisina  kosa no nanomezana fahafaham-po ireto farany. Raha 50 ny isan’ireo mpianatra afaka CEPE azona CEG iray eny Atsimondrano raisina dia ireo 50 voalohany tsara naoty indrindra no nalaina tamin’izany. Efa betsaka tamin’ireo sekoly eny Atsimondrano moa no namoaka ny vokatra 6 eme ihany koa tamin’ny sabotsy teo hahafahan’ireo tsy voaray mitady fianarana avy hatrany mba tsy ho tara.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT