Fampianarana

FANADINANA CEPE SY BEPC Itakiana 10.000 Ar ireo mpiadina any Tsiroanomandidy


  • Alakamisy 31 Martsa 2022

Miakatra hatrany ny vola alaina amin’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC eto amintsika.

Raha teny amin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano no naharenesana fitarainana voalohany mifandraika amin’izany herinandro maromaro lasa izay dia tonga hatrany amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy ity fitakiana vola amin’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra ity. Tafakatra hatrany amin’ny 10.000 Ar isaky ny mpianatra izany any an-toerana raha 1500 Ar teny amin’iny distrikan’Antananarivo Atsimondrano iny. Mahatsiaro ho sorena noho izany ny fivondronan’ireo sekoly tsy miankina koa manao antso avo amin’ny fanjakana. Ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra ihany mantsy no terena hizaka ny fandaniana hatao mandritra ny fanadinam-panjakana raha tokony ho anjaran’ny fanjakana izany. Anisan’ireny ny fitaterana ny taratasim-panadinana mankany amin’ny toerana tokony hitsarana izany, antony ilana io vola io. Na izany aza hatreto dia mbola tsy nisy ny filazana ofisialy nataon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena mikasika ity vola tsy maintsy alohan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra ity.
Pati
Legende Ny zanany hiatrika fanadinana no tsy maintsy hiaretan’ny Ray aman-dReny izany ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT