Fampianarana

Fanadinana CEPE omaly Zandary miisa 345 no nahetsika teto Antananarivo


  • Alarobia 02 Septambra 2020

Samy niezaka nanao izay ho afany tamin’ny fikarakarana sy fiarovana ireo mpianatra ao amin’ny taona fahadimy niatrika ny fanadinana CEPE omaly avokoa ny mpitandro ny filaminana.

 

 

 

Anisan’izany ny zandarimariam-pirenena izay nahatratra 345 no naparitaka teto Antananarivo tamina foibem-panadinana miisa 62. Somary nampitomboana kely kosa izany tany amin’ny distrikan’Anjozorobe raha ny fanazavana azo noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana any an-toerana izay mampikaikaika ny mponina tokoa. Ankoatra ny fanaraha-maso ny foibem-panadinana dia niantoka feno ny fiarovana ny taratasim-panadinana ihany koa izy ireo hatramin’ny omaly hariva fotoana nanaterana izany tany amin’ny toerana tokony nisy azy. Ho an’ny faritanin’Antsiranana kosa dia niisa 74 ireo zandary indray nohetsehina. Nilamina ny fizotry ny fanadinana CEPE teto Antananarivo sy Antsiranana tamin’ny ankapobeny na dia teo aza ireo olana madinidinika. Ny 08 Septambra ho avy izao kosa no hotanterahina ny any Fianarantsoa sy Mahajanga raha ny 15 Septambra vao anjaran’ireo mpiadina any Toamasina sy Toliara.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT