FANADINANA CEPE

Nitombo 10% ny mpiadina, 5 taona ny zandriny indrindra


  • Alarobia 22 Mey 2024

Nitombo 10% ny isan’ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE amin’ity taona 2024 ity.

Raha 570.000 hetsy latsaka ireo nisoratra anarana tamin’ny taon-dasa dia lasa 580.000 hetsy mahery ankehitriny ka 5 taona no zandriny indrindra, mpiadina avy eto an-drenivohitra. Tsiahivina moa fa amin’ny datin’ny 18 Jona ho avy izao no hanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE manerana ny Nosy aorian’ny hiatrehana ny fanadinana CEPE fotsy karakarain’ny ZAP amin’ny 04 Jona ho avy izao. Hentitra amin’ny fanaraha-maso ny laza adina araka izany ireo tompon’ndraikitra. Tsy vitsy mantsy ireo efa manely tsaho sahady any anaty tambajotran-tserasera Facebook fa manana laza adina. Ho an'ny fanadinam-panjakana BEPC na « Brevet d’Etudes du Premier Cycle » indray dia hanomboka ny 01 Jolay hatramin'ny 04 Jolay ho avy izao ny fanadinana raha amin’ny 22 Jolay hatramin'ny 26 Jolay ny fanadinam-panjakana Bakalorea ankapobeny sy ny bakakorea teknika andiany voalohany ary ny 29 Jolay hatramin'ny 01 Aogositra taona 2024 kosa ny andiany faharoa.
Pati
Legende : Efa vonona amin’ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana CEPE ny ankamaroan’ireo mpiadina manerana ny Nosy amin’izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT