Fampianarana

Fanadinana CEPE Izay lesona vita ihany no hanadinana


  • Alakamisy 04 Jona 2020

Na dia mbola tsy voafaritra sy tsy fantatra mazava aza hatreto ny daty voatondro hanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE noho ny hamehana ara-pahasalamana dia efa vita ny fisafidianana farany ireo laza adina ho an’ireo kilonga madinika hiatrika izany fanadinam-panjakana izany.

 

Afak’omaly talata 02 jona no nanatanterahana izany teo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fanofanana ara-teknika. Anisan’ny nivoitra tao anatin’izany ny fa hampifanarahana amin’ny fandaharam-pianarana vitan’ny mpianatra isan-taranja ny laza adina hatolotra azy ireo. Inoana ihany koa araka izany fa hitovy tsy misy hafa amin’izay ny an’ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC. Marihina moa fa mbola nitohy omaly alarobia ity fivoriana notanterahina teo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fanofanana ara-teknika ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT