Fampianarana

Fanadinana CEPE Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana


  • Talata 14 Aogositra 2018

Ho hentitra ny fitandroana ny fandriampahalemana amin’ny fiatrehana ny fanadinana CEPE anio talata 14 aogositra manerana ny Nosy. Raha

araka ny fanadihadiana natao tetsy amin’ny CEG Betsimitatatra, anisan’ny foibem-panadinana handray ireo mpiadina eto an-drenivohitra dia hiara-kiasa akaiky amin’ny mpitandro ny filaminana ny « chef de centre » na ny lehiben’ny foibem-panadinana. Tafiditra ao ny fanaraha-maso ny isan’ny mpiadina izay tsy tokony hihoatra ny 20 isaky ny efitrano fianarana, ny fijerena ireo olona mikasa hanakorontana. Roa kosa raha kely ireo mpiambina hanara-maso ny mpiadina isaky ny efitrano  izay fantatra fa nahazo taratasy fiantsoana ara-dalàna avy amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena avokoa ary vonona soa aman-tsara ny hiatrika ny fanadinana. Raha tsiahivina, mihoatra ny 550.000 isa ireo mpiadina hiatrika ny fanadinana CEPE anio talata manerana ny Nosy. Fito taona no zandriny indrindra, zazavavy kely.  Ny taranja kajy, ny laza olana, ny siansa ary ny TFM no hisantaran’izy ireo izany ny maraina. Ny taranja malagasy, frantsay ary jeografia kosa no hamaranana azy anio hariva. Manomboka amin’ny 6 ora sy sasany maraina ny fiantsoana anarana eny anivon’ireo foibem-panadinana anio ka tsy tokony hisaraka amin’ny karatra maha mpianatra azy ny mpiadina iray miaraka amin’ny taratasy fiantsoana na ny « convocation ». Marihina moa fa ny taranja kajy, ny frantsay ary ny siansa no mbola atahoran’ny mpiadina hatreto.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT