Fampianarana

Fanadinana CEPE Efa naparitaka tamin’ity herinandro ity ny laza adina


  • Zoma 03 Aogositra 2018

Efa vonona tanteraka amin’ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana maro samihafa ny eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ankehitriny.

 
  Ho an’ny fanadinana CEPE dia ny 14 aogositra ihany no daty hanatanterahana azy. Ny 3-4-5-6 septambra kosa ny fanadinana BEPC. Efa mizotra araka ny tokony ho izy ny fanomanana ireo fanadinana ireo, hoy Atoa Tsitoara Serge Thierry, talen’ny teknolojia sy ny fampitam-baovao eo anivon’ny minisitera. Ho an’ny fanadinana CEPE dia nambarany omaly fa efa eny anivon’ny faritra avokoa ny laza adina ary amin’ity herinandro ity kosa ny fanaparitahana ny an’ireo faritra manodidina an’Antananarivo. Ho an’ny fanadinana BEPC kosa indray dia nambarany fa efa vita ihany koa ny laza adina ary mpampianatra ihany fa tsy olon-kafa no namolavola azy ireny ka fantany  izay tokony hataony. Manomboka eny anivon’ny ZAP moa no handefasana ireny laza adina ireny, mandalo CISCO  avy eo hasiam-panatsarana eny anivon’ny DREN  ary miafara any amin’ny minisitera ka laza adina telo sisa no hifantenan’izy ireo. Mikasika ilay feo mandeha momba ny fanapahana ny karaman’ireo mpampianatra mitokona dia nambaran’Atoa Tsitoara Serge Thierry fa tsy hisy izany satria mahatoky ny fahendren’ireo mpampianatra ny minisitera. Mahazo mahatoky ny ray aman-dreny, hoy izy, fa hizotra amim-pilaminana tanteraka ny fanadinam-panjakana amin’ity taona 2018 ity miaraka amin’ny mpitandro ny filaminana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT