Fampianarana

Fanadinana CEPE - Antananarivo Nihena 7,43% ny tahan’ny fisoratana anarana


  • Alatsinainy 25 Aprily 2022

Nihena 7,43% ny tahan’ny fisoratana anarana amin’ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana CEPE ho an’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo renivohitra raha araka ny tarehimarika navoakan’ny minisiteran'ny fanabeazam-pirenena.

Raha nahatratra 30. 325 isa mantsy ireo nisoratra anarana tamin’ny taon-dasa dia nihena ho 28 069 izany tamin'ity taona 2022 ity. Nihena hoy 7,43% araka izany ny isan'ny mpiadina. Tsara ny manamarika fa efa manomboka miroso tsikelikely amin'ny fanadinana andrana ireo sekoly sasany ankehitriny indrindra fa ireo tsy miankina. Tsy miova kosa ny tetiamdro hanatanterana ny fanadinana raha araka ny vaovao hatrany fa mijanona amin’ny datin’ny 21 Jona ho avy izao. Noho ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny amin’ny ankapobeny no mampihena ny isan’ireo mpiadina indrindra fa amin’ny resaka sakafo sy fitaovana ho an’ireo mianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana toy ny EPP.
Pati
Legende : Nihena ny isan’ireo mpiadina hiatrika CEPE eto Antananarivo
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT