Fampianarana

Fanadinana CEPE 546 365 ireo mpiadina manerana ny nosy


  • Talata 06 Jolay 2021

Nihaona sy nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly ny tale misahana ny fanadinana sy fanamarinana Atoa Andrianarison Tinaina Edinah mikasika ny fanadinam-panjakana CEPE tanterahina androany.

 Nambarany tamin’izany fa miisa 546. 365 ny mpiadina manerana an’i Madagasikara hiatrika izany izay mitsinjara amin’ny foibem-panadinana 1.956 raha toa ka miisa 17.747 ny efitranom-panadinana izany hoe : niakatra 3% ny tahan’ny fitomboan’ny mpiadina raha oharina tamin’ny herin-taona. Amin’ireo mpiadina miisa 546 365 ireo dia miisa fito amby folo (17) ny tsy mahita, enina (06) no tsy dia mahita tsara,valo amby efapolo (48 ) ny marenina,fito (07) ny sembana ara-batana raha toa ka iray (01) ny sembana ara-tsaina. 46 taona taona no zokiny indrindra amin’ity fanadinana ity izay tsara ny manamarika fa mpiadina vehivavy avy any amin’ny Fari-Piadidiam-Pampianarana (CISCO) Fianarantsoa .Nohamafisiny fa « mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana ny fanatanterahana an’ity fanadinana ity, noho izany dia misy ny « note de service » entina hanomezana ny fepetra sy toromarika ny rehetra ho an’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any anatin’ireny foibem-panadinana ireny sy ny Fari-Piadidim-Pampianarana (CISCO) ary ny ny Fitaleavam-paritry ny Fanabeazam-pirenena (DREN) mba ahafahana manaja ny elanelana sy ny fanasan-tànana ary ny arovava-orona mandritra ity tontolo andro ity. Nohamarihiny fa « tsy tokony hisy ny mpiadina izay tsy hahazo fiantsona noho ny tsy fandoavana ny saram-pianarana izay mateti-pitranga tokoa any amin’ireny sekoly tsy miankina ireny ».
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT