Fampianarana

FANADINANA BEPC Vonona ny ankamaroan’ireo mpiadina


  • Alakamisy 30 Aogositra 2018

Hanomboka amin’ny alatsinainy 03 septambra manerana ny Nosy ny fanadinam-panjakana BEPC amin’ity taona ity, ary haharitra efatra andro.

 

 

Efa saika vonona amin’ny fiatrehana izany ny ankamaroan’ny mpiadina na dia teo aza ilay fahabangana tsy nianarana nandritra ny roa volana ho an’ny sasany noho ny hetsi-bahoaka nitohy tamin’ny fitokonan’ny mpampianatra mpanabe. Ho an’i Morgan manokana, mpianatra taona fahasivy dia efa vonona tanteraka amin’ny fiatrehana ny fanadinana izy, raha araka ny nambarany. Ny lesona sisa toy ny taranja SVT, ny histo-geo no tena imasoany mafy ny famerimberenana azy, izay nomarihiny fa efa nifohazany maraina tsy nitsahatra nanomboka tamin’ny volana janoary. Na izany aza anefa dia nambarany fa mbola mitebiteby ihany izy mieritreritra ny laza adina mety hivoaka any amin’ny fanadinana. Tsiahivina moa fa 11 taona no mpiadina zandriolona, indrindra hiatrika ny fanadinana BEPC amin’ity taona ity raha 75 taona kosa no zokiny indrindra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT