Fampianarana

Fanadinana BEPC tany Ambatondrazaka Tafakatra 90 % ny taham-pahafahana


  • Sabotsy 15 Septambra 2018

Nivaly ny fanadinana BEPC tany amin’ny Cisco Ambatondrazaka ary nahatratra 90% ny taham-pahafahana. Somary nahavelom-panontaniana ny rehetra ny vokatra.

 

 

Sambany no nisy io taha io tany an-toerana. Betsaka ireo gaga raha nahare ny voka-panadinana. Toerana anisan'ireo maro mpanabe nitokona tao Ambatondrazaka ary tsy vitsy tamin'ny ray aman-dreny no niahiahy ny fanadinana natrehin’ny zanany. Ny alakamisy hariva dia efa nanomboka niparitaka tamin'ny tambajotra samy hafa ny vokatra tao Ambatondrazaka na dia tsy nivoaka ofisialy raha tsy ny takarivan’ny zoma. Samy nanana ny fihetseham-pony tamin'izao vokatra izao ny ray aman-dreny. Tao ireo nibitaka sy nifaly, nisy kosa ireo velon'ahiahy sao famitahana an-janany ilay vokatra.

                                                         

Niry A

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT