Fampianarana

Fanadinana BEPC Nampian’ny polisy ilay tovovavy tsy salama tampoka


  • Talata 22 Septambra 2020

Tovovavy mpiadina iray no tsy salama omaly maraina raha nanatrika ny fanadinam-panjakana BEPC tao amina foibem-panadinana iray teto an-drenivohitra.

 

 

Teo am-pamitana ny taranja Malagasy mihitsy izy no nitaraina ho tsy salama. Ny polisim-pirenena no nandray an-tanana nanampy io tovovavy io araka izany, nandefa azy tamin’ny fiara karetsaka hamonjy fodiana no sady niantso ny fianakaviany. Tsiahivina moa fa tsy ny manao fanentanana sy misambotra ihany no asan’ny polisy fa manao izay ho afany hanampiana ny mpiara-belona koa izy ireo. Anisan’izany ny fanampiana ny vehivavy teraka amin’ny alina, taraiky tsy mahita fiara eny an-dalana, ireo mpiadina marary tahaka ity nitranga omaly ity, fihetsika izay efa nataon’izy ireo tamina mpiadina iray tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE farany teo…. Tsy vitsy ireo nidera manokana izao fihetsiky ny polisy izao.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT