Fanadinana BEPC

Manambana tsy hitsara ireo mpampianatra…


  • Alarobia 03 Jolay 2024

Mamofompofona tsy ho voaloa indray ny tambin-karama na « vacation » amin’ny

fitsarana ny fanadinana BEPC raha ny ahiahin’ireo mpampianatra amin’izao ao anatin’ny zotram-panadinana efa miditra amin’ny faha-3 andro anio izao, ka manambana ny hitsara fanadinana ireo mpampianatra. « Mbola vao manambana isika izao, fa mbola tsy tokoa ilay izy, ka mba mangataka izahay mba handraisana ny fepetra rehetra hoe : aleo mba handeha ny «vacation », hoy Atoa Célin Rakotomanana, mpitarika sendika mpampianatra mpanabe eny amin’ny ambaratonga fototra sy ambaratonga faharoa omaly tamin’ny onjam-peo iray. Anjaran’ny sendika ny miaro sy mitaky ny zon’ny mpikambana, ka nanehoany fa mamofompofona indray ny hoe : tsy ho voaloa ny «vacation » ka manambana izy ireo mba hisorohana an’izany. Somary mampalahelo ihany ny fizotry ny tantara satria ny vola voaangona kanefa nangonina ho an’ilay taom-pianarana manaraka, hoy ny fanamarihana. Raha misy vola ao dia tsy handoavana ny 2024 fa handoavana ny 2023, ka lasa misy elanelana, raha ny fanazavana. Raha ny tokony ho izy, izay mpitantam-bolam-panjakana mba tokony hijery an’izany, hoy hatrany ny fanamarihana. Misy hatramin’ny 2020 aza mbola tsy voaloa raha ny fitarainana. Ny Minisitry fanabeazana moa raha ny fanamarihana dia efa in-dimy teo izay no niova, ka manahy ny mpampianatra fa izay tonga eo ihany koa dia tsy ho voaloha indray ny tany aloha, ka mitombo ny ahiahy. Raha vao ren’ny rehetra fotsiny ilay izy hoe : tsy misy dia izay no hisian’ny ambana, ka ataovy misy fa raha sanatria tsy misy dia ho sarotra ny raharaha, hoy Atoa Célin Rakotomalala. Mialin’andro foana, ka ny fitsarana fanadinana BEPC amin’ity izany amin’ny herintaona vao aloa. Isan-taona olana foana ny resaka fitsarana ny fanadinam-panjakana, ary tsy mety voalamin’ny Fanjakana. Lalaovina amin’ny fiseraserana fa misy ireo manaiky mitsara dia rahonana ireo hafa mitaky ny hamahana ny olana ? Tena omena ny lanjany ve ny mpampianatra sy ny fanabeazana eto Madagasikara izay tsy ilaozan’olana mandavan-taona ny ambaratonga rehetra ? Manam-bola sy mahavita mitrosa manodidina ny 800 miliara Ar hanaovana teleferika isika fa tsy mahaloa ara-potoana ny tambin-karaman’ny mpampianatra ? Ny tetibola hanaovana an’io hahavitana mampiditra mpampianatra FRAM 10000 isan-taona ho mpiasam-panjakana mikarama 500 000Ar isam-bolana ka ny tena mahasoa ny Malagasy no atao eto sa ny mahafinaritra ny mpitondra ? Ny Minisitra 3 tamin’ireo minisitera mahakasika ny fanabeazana sy ny fampianarana aza moa ao anatin’ny fanomanana ny fanadinam-panjakana mihitsy no banga ka oviana tamin’ny tantaran’i Madagasikara no nisy hoe : ny minisitry ny fahasalamana no lasa misahana ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ? Mbola resaka hafa ny kalitaon’ny fanabeazana sy ny votoatim-pampianarana ampianarina ny mpianatra Malagasy hoe : mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny filan’ny firenena ve ?
Toky R
Sary fanehoana : Efa manomboka ny fitsarana. Manao ny ezaka rehetra ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena amin'ny fivoahan’ny valim-panadinana farak’izay haingana, hoy ny seraseran’ny Fanjakana andaniny

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT