Fampianarana

Fanadinana bakalorea Tsy ekena intsony ny fahataran’ny fisoratana anarana


  • Sabotsy 23 Febroary 2019

Nampatsiahy ny rehetra ny minisiteran`ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa amin`ny alatsinainy 25 febroary ho avy izao no hanomboka ny fisoratana anarana ho an`ireo hiatrika ny fanadinana ara-panjakana bakalorea ka tsy hifarana raha tsy ny talata 30 aprily 2019.

 

 

 Miteraka olana isan-taona io fisoratana anarana io ka tsy ekena intsony ny “derogation”, hoy ny talen`ny fampianarana ambony, Dr Razafimahatratra Dieu-Donnè.  Ny fisoratana anarana dia atao eny amin`ny sampandraharaha misahana ny bakalorea manerana ireo oniverisite enina eto Madagasikara. Nilaza ny eo anivon`ny minisitera fa ho hentitra izy ireo ka tsy hoekena intsony ny fahatarana satria manana 2 volana sy tapany ireo ray aman-dreny, ireo mpiadina ary ireo sekoly hanomanana izany mba tsy hiandry ny fotoana farany. Nanamarika ireo tompon’andraikitra fa tsy miova ny saran`ny fisoratana anarana izay 15 000 ariary ho an`ny sekoly, 50 000 ariary ho an`ireo kandidà tsy miankina, 100 000 ariary ho an`ny vahiny. Efa mipetrapetraka avokoa ireo lamina rehetra eo amin`ny fanomanana laza adina. Ny taranja ara-panatanjahantena dia hotanterahina amin`ny volana jolay raha ny tetiandro. Tsiahivina fa ny 30 septambra hatramin`ny 4 oktobra ho avy izao no hanatanterahana ny bakalorea ankapobeny sy ny andiany voalohany amin`ny bakalorea teknika. Ity farany ity kosa dia hitohy ny 11 hatramin`ny 14 oktobra ny andiany faharoa.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT