Fampianarana

Fanadinana bakalorea Nampitaraina ny mpiadina sasany ny taranja filozofia


  • Talata 19 Jolay 2022

Notanterahina omaly ny andro voalohany ho an’ny fanadinam-panjakana Bakalorea ankapobeny manerana ny Nosy.

Ny taranja filozofia no nisantarana izany izay nambaran’ireo mpiadina sasany fa efa somary nanahirana sahady. Nety tamin’ny sasany kosa anefa izany, fomba fijery izay samy nanana ny fahitany azy avokoa. Anisan’ny nanadinana ny mpiadina nandritra izany ho an’ny sokajy A ny hoe : misy toerana eo amin’ny fahatongavan-tsaina ve ny fanaovana politika ? sy ny hoe : Ny miteny ve dia midoika hoe : tsia. Itsy voalohany no tena be mpisafidy indrindra fa ho an’ireo tanora mpianatra manam-paniriana ny hanao politika. Santionany amin’izany ity zazavavy iray tafaresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana.
Caella, sokajy A : Ny ahy ilay laza adina voalohany no nosafidiako. Tena nety tamiko ilay izy sady mba azo nihafiana. Toraka izany koa ny taranja anglisy natrehina omaly hariva.
SARY
TSY HOE VAOVAO BE
Raha fehezina dia efa saika hitahita tany am-pianarana avokoa ny endrik’ilay laza adina na dia tsy tena mitovy tanteraka aza Ho an’ny foibem-panadinanana etsy amin’ny lisea moderna Ampefiloha manokana moa dia fantatra fa nizotra an-tsakany sy an-davany ny fanadinam-panjakana Bakalorea andro voalohany omaly. Tonga avokoa ny mpiadina rehetra 1607, mitsinjarana amina efitranom-panadinana miisa 65.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ambatolampy Tsimahafotsy
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hampitomboana ny

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

Hijery ny tohiny
FTT