Fampianarana

Fanadinana bakalorea Miisa 6 ireo marenina miatrika izany


  • Talata 10 Aogositra 2021

Notanterahina nanomboka omaly alatsinainy 09 aogositra manerana ny Nosy ny fanadinam-panjakana Bakalorea ankapobeny sy teknika .

Miisa 6 mianadahy ireo tanora marenina niatrika izany ho an’ny Akanin’ny Marenina etsy amin’ny 67 ha ka 20 taona no zandriny indrindra raha 23 taona no zokiny indrindra. Ny taranja literera toy ny tantara, ny Malagasy amin’ny ankapobeny no tena mampanahy ireo mpiadina raha saika angadin’izy ireo kosa ny taranja siantifika. Na izany aza mbola misy ihany ireo manahy kely ny amin’ny mety ho endriky ny taranja kajy. Tsiahivina moa fa tamin’ny taona 1950 no nanomboka nampianatra ireo ankizy manana olana ara-pihainoana ny AKAMA na ny Akanin’ny Marenina. Nanomboka ny taona 2006 kosa izy ireo no nampanala ny fanadinam-panjakana bakalorea voalohany ary mitohy mandraka ankehitriny izany. Miisa 18 kosa ireo mpiadina nanala ny fanadim-panjakana BEPC ho azy ireo tamin’ity taona ity ka afaka soa aman-tsara avokoa.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT