FANADINANA BAKALOREA

Mihena hatrany ireo misafidy ny sokajy siantifika


  • Alatsinainy 22 Jolay 2024

Miisa 218.359 ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea manerana ny Nosy

manomboka anio Alatsinainy 22 Jolay. Mahatratra 69,89% ireo nisafidy ny sokajy literera toy ny A1 sy ny A2 ary ny L. Nisafidy ny sokajy siantifika ireo 43.843 ambiny izay marihina fa mihena hatrany raha araka ny antontan’isa azo teo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana siantifika. Ny 10 646 amin'ireo no ao amin'ny sokajy "organisation, Société, économie" na OSE ilay mbola vaovao nbe hatrany amin’ireo mpiadina sasany. Tsiahivina moa fa nihena ny isan’ireo mpiadina hiatrika izany tamin’ity taona 2024 ity raha oharina tamin’ny taon-dasa.
ATAHORANA HATRANY NY MATEMATIKA
Ny taranja filozofia no hisantarana izany anio Alatsinainy 22 Jolay maraina izay tsy dia atahoran’ireo mpiadina loatra amin’ny ankapobeny. Ny taranja histo-geo sy ny matematika no tena atahorany noho ilay laza adina izay tsy voafaritra izay mety hipoitra any. Hanomboka amin’ity Alatsinainy 22 Jolay ity ihany koa moa ny fanadinam-panjakana Bakalorea sokajy teknika sy teknolojia ary profesionela tapany voalohany. Hitohy ny herinandron’ny faha 29 Jolay kosa izany ho an'ny tapany faharoa sokajy teknika ary tsy hifarana raha tsy ny datin’ny 01 Aogositra ho avy izao.
ENCADRE
Tranga iray mila jerena akaiky ny tsy fahaizan’ny zaza sy tanora malagasy ny taranja siantifika, fa dia lasa mivangongo anya mina resaka sosialy sy fianarana teny vahiny. Tena ilain’ny firenena amin’ny asa fampandrosoana mantsy ny siantifika hanao fikarohana sy ho lasa injeniera ary teknisianina.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT