Fampianarana

Fanadinana bakalorea Mety ahemotra ny fe-potoana fisoratana anarana


  • Alakamisy 30 Aprily 2020

Mifanarana anio 30 aprily ny fisoratana anarana ho an’ireo mpianatra hanala ny fanadinam-panjakana. Maro anefa no tsy afaka nameno ny antontan-taratasy. Zara raha 3% ny taham-pisoratana anarana ho an’Antananarivo manokana.

 

 

 

 

Ny olana eny anivon’ny sekoly dia ireo ankizy lasa nody any amin’ny faritany. Rehefa haka kopia dia tsy maintsy mody any amin’ny faritany na any amin’ny ray aman-dreny any ambanivohitra misy ny toerana nahaterahana no alaina. Tsy afa-niakatra teto Antananarivo anefa noho ny hamehana ara-pahasalamana, ka nampitsaharana ny fitaterana. Efa nisy ny fifampiresahana teo amin’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony, ny oniversiten’Antananarivo,… ka any amin’ny Filankevitry ny minisitra no hanapahana ny mety ho fihemorana. Ny azo antoka dia tsy maintsy hisy ny bakalorea, hoy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT