Fampianarana

Fanadinana bakalorea Ho hentitra ny fanaraha-maso


  • Alarobia 12 Septambra 2018

Hotanterahina manomboka ny alatsinainy 17 hatramin’ny alakamisy 20 septambra ho avy izao ny fanadinam-panjakana an-tsoratra Bakalorea eto Madagasikara.

 

 

 

 Nanambara ny filohan’ny Anjerimanontolo eto Antananarivo, Profesora Panja Ramanoelina fa ho mafy ny fanaraha-maso ireo mpiadina ary efa misy ny fiaraha-miasa amin’ireo minisitera maro isan-tsokajiny. Nilaza ihany koa ny tompon’andraikitra fa mbola misy famindram-po ho an’ireo mpianatra tsy nandalo ny adina ara-panatanjahantena (EPS) hatramin’ny rahampitso 13 septambra. Ny 21 septambra ho avy izao kosa ny adina am-bava ara-panatanjahantena ho an’ireo izay voakasika. Ho an’ny bakalorea teknika kosa dia hanomboka ny alatsinainy 24 septambra ho avy izao izany. Nitombo kely ny isan’ny mpiadina fanadinana bakalorea tamin’ity taona ity satria miisa 74 811 izy ireo raha toa ka 74 477 tamin’ny taona lasa. Ny 70 042 amin’ny mpiadina dia manala ny fanadinana amin’ny fampianarana ankapobeny (général) ary ny 4.769 dia mpiadina teknika. Hita ho mihena hatrany ihany kosa ireo mpiadina siantifika tahaka ny sokajy C izay miisa 3.428 monja ary ny sokajy D miisa 16.260. Raha momba ny toerana hanaovana ny fanadinana indray dia miisa 32 ny eto Antananarivo ary 83 ny any amin’ny manodidina. Amin’ny 18 hatramin’ny 20 oktobra izao kosa no hanatanterahana ny fetr’isa farany azo afahana (deliberation) ho an’ity fanadinana bakalorea ity. Marihina fa 75 taona ny zokiny indrindra ary 11 taona ny zandriny indrindra amin’ireo mpiadina.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT