Fampianarana

Fanadinana bakalorea Hivaly mialohan’ny faran’ny volana


  • Talata 09 Aogositra 2022

Hivaly mialohan’ny faran’ny volana Aogositra ho avy izao ny fanadinam-panjakana Bakalorea manerana ny Nosy. Ho an’Antananarivo manokana dia fantatra fa efa voatsara hatrany amin’ny 90% ny taratasim-panadinana.

Ny 10% eo ho eo sisa no hokarakaraina mialohan’ny hampidirana ny naoty ao anaty solosaina. Na izany aza anefa dia nambaran’ny talen’ny fitsarana ny fanadinana fa mbola handalo fanamarinana in-telo ny naotin’ireo mpiadina izay vao tena hivoaka ny vokatra ofisialy. Eo anelanelan’ny 13 Aogositra ka hatramin’ny faran’ny volana Aogositra no hivoahan’izany raha tsy misy ny sampona. Tsy misy ny olana eo amin’ireo mpampianatra mpitsara hoy ny vaovao. Saika tonga avokoa ireto farany nanao ny asany raha efa voaloha ihany koa ny tambin-karaman’izy ireo tamin’ny taon-dasa. Tsiahivina moa fa tsy niteraka olana mihitsy ny fisian’ilay fanampina naoty tamin’ilay taranja simia izay nisy olana ho an’ny fanadinam-panjakana Bakalorea.
Nangonin’i Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT