Fampianarana

Fanadinana bakalorea Betsaka ireo mpiambina tsy tonga omaly


  • Talata 18 Jolay 2023

Tara 15 minitra vao nanomboka ny fanadinam-panjakana bakalorea omaly teny amin’ny lisea Ivato, distrikan’Ambohidratrimo.

Noho ny tsy fahatongavan’ireo mpiambina miisa 10 be izao no antony nahatonga izany raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny foibem-panadinana Nirina Razakamanana. Voatery nitondra olona miisa 5 mpiasa eo anivon’ny kaominina Ivato ireo tompon’andraikitra noho izany saingy tsy mbola ampy 5 ihany izy ireo. Nizotra araka ny tokony ho izy ny fanadinana taorian’izany. Raha tsiahivina dia miisa 377 ireo mpiadina tonga niatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea tao amin’ity lisea iray ity omaly. Fito tamin’ireo no tsy tonga omaly maraina izay efa naman’ny tsy afaka ihany. Raha vantany vao tsy manatrika taranja iray mantsy ny mpiadina iray dia fantatra fa efa aotra ny naotiny ka tsy mizy antony tokony hanohizany izany intsony hoy ny tompon’andraikitra. Tsiahivina fa ny taranja filozofia sy ny teny vahiny no natrehin’ireo mpiadina omaly andro voalohany. Nitombo 12,5% ny salan’isan’izy ireo raha oharina tamin’ny taon-dasa antony nampitomboana ny foibem-panadinana miisa 5 ihany koa. Manodidina ny 215.000 isa izy ireo ka 10 taona no zandriny indrindra raha 68 taona no zokiny indrindra. Amin’ny alatsinainy 24 jolay ho avy izao ihany dia efva hanomboka ny fitsarana ny taratasim-panadinana ka eny Ambohitsaina no hanatanterahana izany. Alaina isan’andro eny anivon’ny zandarimaria kosa ny laza adina raha aterina eny anivon’ny zandarimaria ihany koa raha vantany vao vita.
Pati
Legende : Milamina ny fizotry ny fanadinam-panjakana Bakalorea amin’ny ankapobeny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT