Fampianarana

Fanadinana bakalorea 131 ireo mpiadina tsy tonga tetsy amin’ny LMA


  • Talata 18 Septambra 2018

Tafakatra 131 ny isan’ireo mpiadina tsy tonga nanatrika ny fanadinana Bakalôrea omaly alatsinainy 17 septambra tetsy amin’ny foibem-panadinana Lisea Moderna Ampefiloha, mitotaly 2.805 ireo voasoratra anarana.

 

 

 

  Misandrahaka amina efitrano 65 isa izy ireo ary 265 ireo mpiambina sy lehiben’ny foibem-panadinana miambina sy mandray an-tanana azy ireo. Raha araka ny fanazavan-dRazanadranaivo Dinamalala, lehiben’ny foibem-panadinana ao an-toerana dia nizotra tamim-pilaminana ny fiatombohan’ny fanadinana Bakalôrea omaly. Tonga ara-potoana ny laza adina, ankizy roa no nanadino ny taratasy fiantsoana  azy saingy bola afaka nanontany tsara ny ofisim-pirenena misahana ny Bakalôrea ny anaran’ireo mpiadina roa ireo ireo tompon’andraikitra  ka tsy nisy ny olana. Ho an’ireo mpiadina nitondra finday  tao amin’ity foibem-panadinana iray ity dia nalain’ny tompon’andraikitra ny maraina ary naverina taminy taorian’ny fahavitan’ny taranja filôzôfia. Tsy azo nekena intsony kosa ny folakandro nanatanterahana ny taranja tenim-pirenena vahiny ialana amin’ny fakam-panahy mety hahazo ny mpiadina. Ny taranja Matematika sy ny Malagasy indray no hatrehin’ireo mpiadina anio talata tontolo andro izay hofaranana amin’ny adina ara-panatanjahantena an-tsoratra ny zoma ho avy izao ho an’ireo mpiadina manana olana ara-pahasalamana. Tsiahivina fa anisan’ny foibem-panadinana notsidihin’ny minisiteran’ny fampianarana ambaratonga ambony ny Lisea Moderne Ampefiloha. Olana nosedrain’ireo tompon’andraikitra ny tsy fahampian’ny fitaovana toy ny penina hampiasaina. Miisa 184 708 ny mpiadina manerana ny Nosy amin'ity taona ity. Raha ho an’Antananarivo manokana dia 74 811 ireo mpiadina hiatrika ny bakalorea ankapobeny ary 4 769 ny amin'ny teknika

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT