Fampianarana

Fanadinana andrana CEPE Ny kajy sy ny frantsay no olan’ireo mpiadina


  • Alakamisy 05 Mey 2022

Tontosa soa aman-tsara afak’omaly Talata ny fanadinana andrana CEPE ho an’ireo sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana maromaro eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

Niroso tamin’ny fitsarana ny taratasim-panadinana ireo mpampianatra omaly Alarobia ka fantatra nandritra izany fa ny kajy sy ny frantsay no mbola tena olan’ireo mpiadina. Misy mahazo naoty hatrany amin’ny 05 amin’ny 20 mihitsy ireo mpiadina ho an’ny laza olana raha araka ny fanazavan’ny mpampianatra iray, tranga maromaro hita tamina sekoly tsy miankina iray. Ireo ankizy mpianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana kosa no tena manana olana amin’ny taranja frantsay izay tsy nahazo moyenne ny betsaka. Ezaka mbola hataon’ireo sekoly marobe eto amintsika araka izany ny hamolahana ny mpiadina amin’ny taranja kajy sy ny laza olana ary ny frantsay. Mbola manana roa volana latsaka rahateo izy ireo hahafahana manarina izany. Tsy manana olana amin’ny resaka lesona kosa ireo mpiadina raha araka ny fantatra hatrany fa saika nahafehy izany avokoa. Amin’ny 17 Jona ho avy izao sy amin’ny 31 Jona kosa no hanatanterahana ny fanadinana CEPE andrana manaraka ho an’ireo sekoly sasany.
Pati
Legende : Vonona hiatrika ny fanadinana CEPE ny mpiadina !

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT