Fampianarana

Fanadinam-panjakana Vonona ny Minisiteran` ny fanabeazam-pirenena


  • Talata 25 Aogositra 2020

“Ao anatin` ny hahamehana ara-pahasalamana isika indrindra ho an`ny ankizy. Nampiatoana ny fianarana kanefa tsy maintsy manala fanadinam-panjakana izay zony.

 

 

 

 Manampy ny fanjakana mampifanaraka amin` ny zava-misy. Efa mikarakara izany ihany koa ireo teknisianina. Betsaka ny dingana vita toy ny fanaovana laza adina izay haparitaka manerana ny nosy amin` ity herinandro ity” hoy Dr Marie Michelle Sahondrarimalala, minisitry ny fanabeazam-pirenena. Efa nambara ireny datim-panadinana, hoy izy, efa vonona avokoa ireo mpiantsehatra eny ifotony rehetra. “Ho an` ny DREN Analamanga ohatra, dia niandry daty fotsiny fa efa azo zaraina ny “convocation”. Ho an` ny DREN isam-paritra dia mila tonga telo andro mialohan` ny fanadinana ny laza adina”. Momba ny laza adina hatrany dia efa nisy ny fihaonana narahana tamimn` ny CNAPMAD, izay miandraikitra ny fanotana ny laza adina, ary efa miasa izy ireo ankehitriny. Nisedra ny sarotra ny mpiasan` ity orinasam-panjakana ity ary efa nampandroso soso-kevitra ka hisy ny vahaolana, hoy ihany izy. Mahakasika ny fizotran` ny fanadinana indray dia tsy maintsy hajaina ireo fepetra ara-pahaslamana: hozaraina aro vava ny ankizy, hajaina ny elanelana iray metatra, hisy ny fizarana “gel desinfectant”.... Nitondra teny momba ireo sekoly tsy miankina indrindra tsy manome “convocation” raha tsy voaloa ny saram-pampianarana ihany koa ny MEN. “Tsy maintsy manome izany ireo sekoly. Ekena fa manana olana ara-bola ny sekoly tsy miankina saingy ny fiantrehana ny fanadinana no laharampahemana. Misokatra kosa ny fifampiresahana eo anivon` ny minisitera”. Ankoatra izay kosa dia nanome alalana ho an` ireo sekoly rehetra ny minisitera raha tena ilaina ny fampiakarana an` ireo mpianatra an-tsekoly momba ny famerenan-desona na ihany koa ho an` ireo mpianatra tsy manala fanadinana. “Misy DREN nahavita programa satria tsy mitovy ny fepetra noraisina isaky ny faritra. Samy mandanjalanja ny fiverenan` ny mpianatra an-dakilasy ireo sekoly samihafa. Misy no misafidy mandefa lesona mifanaraka amin`ny teknolijia. Omena alalana ireo sekoly hamerina ireo zaza any an-tsekoly raha ilaina izany. Ho an` ireo mpianatra tsy manala fanadinana kosa dia tsy miova ny tetiandrom-pampianara izay didim-pitondrana noraisin` ny MEN 21 aogistra 2019. Manaraka izany ny sekoly tsirairay ka anjarany no manapaka izany.” hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT