Fampianarana

Fanadinam-panjakana Nitombo 3% ireo mpiadina hiatrika ny CEPE


  • Zoma 04 Jona 2021

Nitombo 3% izany raha oharina tamin’ny taom-pianarana lasa ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE amin’ity taona ity.

 

  Miisa 27. 770 ireo avy amin’ny sekolim-panjakana raha 11 320 ireo avy amin’ny sekoly tsy miankina manerana ny Nosy izay mitontaly 546. 365 isa . Tsy nitsahatra nanentana ireo ray aman-drenin’ny mpianatra araka izany ny Tale misahana ny Fanadinana sy ny Fanamarihana amin’ny fanaraha-mason’ny fanomanana ny fanadinana no sady manentana ireo mpianatra ihany koa mba hilofo hatrany amin’ny fianarana. Nomarihin’ity tompon’andraikitra ity moa fa « tsy misy ahiana ny fiarovana ireo laza adina hantonta. Efa misy mantsy hoy izy ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny Sekreteram-Panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ary ny Minisiteran’ny Fiarovam-Pirenena » . Tsy miova ihany koa ny datim-panadinana. Ho an’ny CEPE ohatra dia amin’ny talata 06 jolay no hanatanterahana izany rah any 19 ka hatramin’ny 22 ny volana jolay ho avy izao kosa no hanatanterahana ny BEPC.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT