Fampianarana

Fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC Hanomboka tsy ho ela ny fanontana ny laza adina


  • Alarobia 24 Jona 2020

Efa vita roa herinandro lasa izay ny laza adina ho an’ny fanadinana CEPE, raha afak’omaly kosa no vita ny an’ny fanadinam-panjakana BEPC, raha araka ny fanazavan’Atoa Andrianiriana Feno Soja,

 

 

 

 

 talen’ny teknolojia sy ny fampitam-baovao ary ny serasera eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Hiditra amin’ny fanontana ny laza adina amin’izay araka izany ny Ministera ato ho ato, raha 40 andro mialohan’ny fanadinam-panjakana no tokony hanatanterahana izany, izay ahitana ireo mpampianatra mihiboka, tsy afaka mifandray na amin’iza, na amin’iza. Ny fivoahan’ny datim-panadinam-panjakana ofisialy sisa araka izany no andrasana hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity raha efa nisy ny tolo-kevitra nomen’ny Ministera. Mety amin’ny alalan’ny filan-kevitry ny governemanta na ny filankevitry ny Ministra no hamoahana izany hoy izy. Miankina amin’ny fivoahan’io daty io ihany koa no hanatanterahana ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny BEPC taorian’ny fihaonan’ny Ministera tamin’ireo mpampianatra EPS rehetra eto Antananarivo. Mihoatra ny 524.018 miparitaka amina foibem-panadinana miisa 1889 moa ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE amin’ity taona 2020 ity raha 405.000 ireo mpiadina nisoratra anarana hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC. Foibem-panadinana miisa 1034 kosa no handray ireto farany. Ho an’ny laza adina CEPE moa dia fantatra fa samy manana ny azy ny faritany enina raha mitovy kosa izany manerana ny Nosy ho an’ny fanadinam-panjakana BEPC. Tsiahivina moa fa ny fanontana ireo karazana kojakoja ilaina mandritra ny fanadinam-panjakana no vita soa aman-tsara tamin’ny faran’ny herinandro teo fa tsy ny fanontana ny laza adina akory.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT