Fampianarana

Fanadinam-panjakana CEPE Omaly ihany dia efa nanomboka ny fitsarana


  • Alarobia 07 Jolay 2021

Nizotra ara-dalana ny fanadinana CEPE notontosaina omaly talata 06 Jolay manerana ny Nosy. Raha ny teny amin'ny EPP Ambodin'Isotry manokana izay nanaovan’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Marie Michelle

 Sahondrarimalala fanaraha-maso manokana dia nanomboka tamin'ny 7 ora sy sasany maraina ny fanokafana ny valopy ho an'ny laza adina voalohany. Tamin'izany no nanamafisany ny firariantsoa ho an’ireo mpanala fanadinana rehetra. Tsy nanadino ny nisaotra ireo mpisehatra rehetra amin'ny fanabeazana ihany koa ny tenany nandritra izany. Nambaran’ ny Minisitra fa "24 tamin'ny mpiadina 771 no tsy tonga, tao amin’ity foibem-panadinana ity izany hoe eo amin'ny 96% eo ny taham-pahatongavan'ny mpiadina ». Notsinjaraina ho 42 sy 43 isaky ny efitrano 18 misy ny mpiadina tao amin'ny EPP Ambodin'Isotry", raha ny fanazavana nomen'i Ratsimbafenontsoa Olnts Thierry, lehiben’ny foibem-panadinana tao an-toerana. Tsiahivina moa Ho an’ity taona 2021 fa nahatratra 546. 365 ireo mpiadina manerana ny Nosy. Miisa 1 956 kosa ny ivon-toeram-panadinana raha 17 .747 ny isan’ny efitranom- panadinana. 5 taona ny mpiadina zandriny indrindra raha 51 taona kosa ny mpiadina zokiny indrindra. Omaly ihany moa dia efa nanomboka ny fitsarana ny taratasim-panadinana ary ezahina havoaka faran’izay haingana ny vokatra hoy hatrany ny Ministra.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT