FANADINAM-PANJAKANA CEPE

Hivaly amin’ny Sabotsy ho avy izao


  • Alakamisy 19 Jona 2025

Hivaly amin’ny Sabotsy 21 Jona ho avy izao ny fanadinam-panjakana CEPE

raha araka ny loharanom-baovao azo. Miankina amin’ny fari-piadidiam-pampianarana tsirairay avy anefa izany. Mizotra araka ny tokony ho izy ny fitsarana ny taratasim-panadinana nanomboka omaly Talata 18 Jona. Amin’ny ankapobeny raha araka ny vaovao azo dia ny taranja laza olana sy ny kajy no tena nampilatsaka ny naotin’ireo mpiadina. Nisy tamin’izy ireny mantsy no zara raha nahazo moyenne hoy hatrany ny vaovao azo. Na izany aza manantena vokatra tsara ny tompon’andraikitra. Nisy tamin’ireo mpiadina mantsy no tena tsara naoty tamin’ireo taranja hafa toy ny SVT sy ny jeografia. Tsiahivina fa miisa 571. 367 ireo mpiadina niatrika ity fanadinam-panjakana CEPE manerana ny Nosy tamin’ity taona 2025 ity. 6 taona no zandriny indrindra raha 43 taona no zokiny indrindra.
Pati
Legende : Manantena ny ho afaka ny ankamaroan’ireo mpiadina nanatrika ny fanadinam-panjakana CEPE !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT