FANADINAM-PANJAKANA BEPC

Ny Matematika sy Histo-geo no tena atahoran'ny mpiadina


  • Talata 01 Jolay 2025

Notanterahina nanomboka omaly Alatsinainy 30 Jona ny fanadinam-panjakana BEPC

manerana ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara. Mpiadina miisa 299.312 no miara-mandray anjara amin'izany, miparitaka amina foibem-panadinana sy 1.072 efitranon-tsekoly miisa 9000.Nilamina ny andro voalohany niatrehan'ireo mpiadina ny fanadinana tamin'ny ankapobeny. Tetsy amin'ny CEG Anosibe no somary nisy olanakely noho ny tsy fahafahan'ireo ankizy mpiadina nisakafo tao an-tokontanin-tsekoly ka nampitaraina fatratra ireo Ray aman-dReny. Teny amoron-dalana no voatery nisakafo ireo mpiadina niharitra ny fofona sy ny maloton'alika miparitaka eny amin'iny faritra iny.Samy nilamindamina avokoa kosa ny taranja Malagasy sy SVT natrehina omaly hoy ireo mpiadina. Na izany aza matahotra mafy ny taranja Matematika sy Histo-geo ireo mpiadina. Tahaka izao ny resaka nifanaovan'ny Gazety Tia Tanindrazana tamin'izy ireo. Lafatra, mpianatry ny sekoly Saint Gérard : Nety ilay taranja Malagasy sy SVT omaly. Hita ho nahafehy azy ny mpiadina fa ny Matematika izao ny ahy no tena atahorako mafy. Loissa, mpianatry ny sekoly Saint Gerard : Ny ahy ny Histo-geo no tena atahorako mafy. Tsy fantatra mihintsy mantsy izay sujet hipoitra any. Ny Matematika koa raha vao diso eny am-boalohany dia diso hatramin'ny farany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT