FANADINAM-PANJAKANA BEPC

Nihena 54,85% ho


  • Alakamisy 16 Jolay 2026

an'Antananarivo renivohitra

Nivoaka ny voka-panadinana BEPC ho an'ny Fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo renivohitra. 54,85% ny taham-pahafahana izay fantatra fa nihena raha oharina tamin'ny taon-dasa. Ny taranja matematika sy ny Frantsay no tena nandatsaka ny nataon'ireo mpiadina raha araka ny loharanom-baovao azo. Betsaka koa no voa tany amin'ny lesona indrindra fa ny tantara sy ny jeografia. 9, 75 amin'ny 20 moa no fantatra fa naoty tsy maintsy nenjehin'ny mpiadina iray nanafahana azy. Anio Alakamisy 16 Jolay no hivoaka amim-pomba ofisialy ny vokatra. Fa efa namoaka ny azy ihany koa ny distrikan'Avaradrano. 65, 50% ny taham-pahafahana izay somary niakatra kely raha oharina tamin'ny taon-dasa. Mbola andrasana kosa ny an'ny Fari-piadidiam-pampianarana Atsimondrano. Tsiahivina moa fa efa nivoaka 4 andro lasa izay ny tany amin'ny Fari-piadidiam-pampianarana Ambatolampy. 65,33% ny taham-pahafahana. 75,49 % kosa ny taham-pahafahana ho an'i Manjakandriana, 68,98% Andramasina, 75, 86 Iakora raha 69, 41% ho an'Ambatomainty.
Pati
Légende : Anio no ho hita eny amin'ireo foibem-panadinana maro samihafa ny voka-panadinana BEPC !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT