FANADINAM-PANJAKANA BEPC

Efa natao tany am-pianarana ny laza adina Histo-geo


  • Alakamisy 04 Jolay 2024

Velom-panantenana ny ankamaroan’ireo mpiadina niatrika ny fanadinam-panjakana BEPC

tamin’ny taranja Histo-geo omaly Alarobia 03 Jolay. Niompana tamin’ny resaka fanjanahan-tany mantsy ny tantara raha resaka fitanterana kosa ny jeografia. Nambaran’ireo mpiadina fa efa natao tany am-pianarana avokoa ireo rehetra ireo. Betsaka mantsy ireo niasa saina mafy fa mety ho laza adina hafa mihitsy no nipoitra tany. Mba azoazon’ny aina ihany koa hoy hatrany ireo mpiadina ny taranja fizika omaly hariva. Mikasika ny taranja matematika afak’omaly Talata izay tena nampatahotra mafy ireo mpiadina dia nomarihin’ny sasany ihany koa fa mba azo nihafiana izany. Saika manantena ny ho afaka avokoa ny ankamaroan’izy ireo noho izany miampy ny taranja allemand na anglais izay hotanterahina anio Alakamisy 04 Jolay maraina. Tombanana hanomboka rahampitso Zoma avy hatrany moa ny Fitsarana ny taratasim-panadinana raha tsy misy ny sampona.
Pati
Legende : Manantena ny ho afaka ny ankamaroan’ireo mpiadina niatrika ny fanadinam-panjakana BEPC !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT