Fampianarana

Fanadihadian’ny UNICEF Tsy voahaja ny zon’ny ankizy hianatra eto amintsika


  • Zoma 11 Janoary 2019

40 %-n’ireo mpianatra eny amin’ny sekoly ambaratonga fototra ihany no mahavita ny fianarany hatramin’ny farany araka ny fanadihadiana nataon’ny UNICEF, satria nisy nahadingana ny kilasy fahadimy.

Noho ny fahasahiranan’ireo ray aman-dreny amin’ny ankapobeny no mahatonga izany ka manosika ireo ankizy madinika handeha hitady vola sahady raha vantany vao tsy misy ny hohanina na ny kahie hampiasaina. Ho an’ny sekoly ambaratonga faharoa indray. 57 %-n’ny mpianatra ihany no mahavita manala ny fanadinana BEPC ao amin’ny kilasy fahasivy fa ny ankoatra izay dia raraka an-dalana avokoa. Ho an’ny ankizivavy ohatra, maro amin’izy ireo no lasa manam-bady tsy fidiny raha misy ihany koa ireo miroboka amin’ny asa an-tranon’olona. Fa ankoatra ny ray aman-drenin’ny mpianatra dia nomarihin’ny UNICEF manokana fa misy lesoka ihany koa any amin’ireo mpampianatra izay mandray an-tanana ireny mpianatra ireny. Ny 90 %-izy ireo mantsy dia tsy manana fahazoan-dalana hampianatra avokoa raha 30,5 % amin’izy ireo monja no mba mpiasam-panjakana.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT