Fampianarana

Fanabeazana Tsy manan-danja eo amin’ny fiarahamonina Malagasy


  • Talata 25 Aprily 2017

Azo hazavaina amin’ny antony telo ny tsy nahatraran’i Madagasikara ny Tanjon’ny taona arivo fahatelo, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny CONAMEPT (Coalition Nationale de Madagascar pour l’Education Pour Tous) Huguette Rakotoarivony nandritra ny fanokafana ny SMA (Semaine Mondiale d’Action pour l’Education) teny Anosy omaly.

Eo ny fahasahiranan’ny mponina amin’ny ankapobeny niaraka tamin’ny krizy nifanesy ny taona 2002 sy ny taona 2009. Tranga nitarika ihany koa ny fahatapahan’ny famatsiam-bola avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Antony iray farany ireo loza voajanahary toy ny rivodoza sy ny hain-tany. Voa mafy manokana tao anatin’ny OMD (Objectifs du Millénaire pour le Développement) taona 2000-2015 ny tontolon’ny fanabeazana. Efa nanana ilay antsoina hoe PSE (Programme Sectoriel de l’Education) moa isika ny taona 2003 izay nasiam-panitsiana ny taona 2005. Nanjavona tanteraka anefa io fandaharanasan’ny seha-panabeazana io ny taona 2009. Soa fa efa voarafitra ankehitriny ny PSE vaovao ho an’ny taona 2017 hatramin’ny 2020. Dingana goavana mbola takiana amin’ny fiarahamonina Malagasy kosa ny fanomezan-danja ny lafiny fanabeazana hatrany an-tokantrano, hoy ity tompon’andraikitra eo anivon’ny Conamept ity.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Zoma 12 Jona 2026

Nitondra am-bavaka ny

Hijery ny tohiny
FTT