Fanabeazana sy fandrosoana tsy afa-misaraka

Ohatra lehibe azon’i Madagasikara alain-tahaka i Maurice


  • Zoma 14 Martsa 2025

Nahavita namolavola rafitra fanabeazana matanjaka sy manara-penitra,

izay anisan’ny fototry ny fandrosoany ara-toekarena sy ara-tsosialy ny Nosy Maurice satria tena niova tanteraka taorian’ny fahaleovantenany tamin’ny 1968. Napetraka ny politikam-pampianarana maimaimpoana amin’ny ambaratonga fototra sy faharoa. Nandritra ny taona 1970, dia nahazo tombony tamin’izany politika izany ny ankizy mahantra, ka nitombo be ny taham-pahatongavana amin’ny ambaratonga faharoa. Tamin’ny 1976, dia nametraka fanabeazana fototra ho an’ny rehetra ny fitondrana. Nitombo ny isan’ny sekoly ary nihatsara ny kalitaon’ny fampianarana. Nampidirina ihany koa ny taranja ara-teknika ho an’ireo mpianatra izay te hiroso amin’ny asa fampiharana mivantana. Tamin’ny 1990-2000, nisy fanavaozana lehibe tamin’ny fanabeazana. Natao maimaimpoana ny fianarana amin’ny anjerimanontolo ho an’ireo mpianatra mendrika. Napetraka ny National Certificate of Education (NCE) mba hanatsarana ny rafi-pampianarana sy hampitombo ny fahaizan’ny mpianatra amin’ny fanadinana ofisialy. Ankehitriny, manana rafi-pampianarana voadio sy mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena ny Nosy Maorisy. Tany amin’ny taona 2017 no efa nahatratra 12% tamin’ny fandaniana nataon’ny fanjakana ny fanabeazana, raha toa ka raha 1,75% amin’ny harin-karena faobe na PIB ho an’ny Madagasikara ny vola haompana amin’ny fanabeazana anatin’ny LFI 2025, kanefa 4 ka hatramin’ny 6% eo ny fenitra iraisam-pirenena apetraky ny UNESCO. Ambony dia ambony ny taham-pidirana an-tsekoly ao Maorisy raha oharina amin’ny an’ny kaontinanta afrikanina: 97% amin’ny ambaratonga fototra, ary 72% amin’ny ambaratonga faharoa. Ny fanamby lehibe dia amin’ny fampianarana ambony, izay mbola sahirana 50% amin’ny tanora eo anelanelan’ny 20 ka hatramin’ny 24 taona, saingy ambony lavitra noho ny antsika. Manana ny taha ambony indrindra amin’ny fidirana amin’ny ambaratonga fampianarana ambony aty Afrika rahateo i Maorisy, araka ny tatitry ny UNESCO. Nanome lanja manokana ny fampandrosoana ny siansa sy ny teknolojia amin’ny fanabeazana ny Fanjakana. Maro amin’ireo sekoly sy oniversite no manome fiofanana amin’ny sehatra mifandraika amin’ny indostria sy ny fahaiza-manao ilaina amin’ny asa maoderina. Ankoatra ny ara-panjakana, misy fampiasam-bola tsy miankina lehibe amin’ny sehatry ny fanabeazana, indrindra amin’ny tetikasa goavana Smart City éducative an’ny vondrona Médine. Ny Nosy Maorisy noho izany no firenena fahatelo manana taha ambony indrindra amin’ny fahaizana mamaky sy manoratra na « literacy rate » aty Afrika mahatratra 90%. Noho ny toerana ara-jeografika stratejika eo anelanelan’i Afrika Atsimo, India ary Aostralia, dia lasa ivon-toerana lehibe amin’ny fanofanana izy, sehatra iray izay mitombo hatrany ny fampiasam-bola. Aiza ho aiza isika ? Ny soa fianatra e !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT