FANABEAZANA NY ANKIZY

Ny Ray aman-dReny no tompon’andraikitra voalohany


  • Alakamisy 30 Janoary 2025

Betsaka ireo mpanabe eny anivon’ny sekoly no mitaraina amin’izao fa saika hapetraky ny Ray aman-dReny

amin’izy ireny avokoa ny fanabeazana ny ankizy noho ny rotorotom-piainana isan’andro. Ny Ray aman-dReny ihany anefa no tena lakilen’ny fahombiazana amin’ny fanabeazana ny ankizy fa fanampiny fotsiny ny mpampianatra sy ny mpiara-monina ary ny mpanampy an-trano. Toraka izany koa ny Renibe sy ny Raibe. Fikarohana maro no mampiseho fa rehefa ny Ray aman-dreny no mifantoka mafy sy mandray anjara feno amin'ny fanabeazana ny zanany na dia samy miasa aza,.dia mahatsiaro ho mpiandraikitra ny tenany amin'ny fianarana ny ankizy. Mifantoka tanteraka amin'ny tokony hahatafita azy hatramin'ny farany any an-tsekoly izy ireny mba hahazoany vokatra tsara sy mendrika ny fanabeazana nomena azy. Azo hitarafana ny vokatsoa ara-ekonomika sy sosialy izany satria nahatafita zanaka vanona. Ny Ray aman-dreny aloha araka izany no loha-laharana sy tompon'andraikitry amin’ny fanabeazana ny zanany manomboka any amin’ny fahakeliny sy ny fitomboan'ny taonany. Manoloana ireo mpanampy an-trano izay anisan’ny mitaiza sy manohy ny fikolokoloana ny ankizy dia tokony manome sy mampiseho eo anatrehan'ny mpanampy iankinan'ny zanany ireo loharano nipoirana fa tena Ray aman-dReny modely tokoa izy ireo. Tokony hiezaka amin’ny fanabeazana ny ankizy hatrany isika Ray aman-dReny manoloana izany na inona na inona mety ho fahasahirana. Tsiahivina moa fa ny ankizy sy ny tanora no ho avin’ny firenena koa raha tsy mahomby sy goragora ny fomba nanabeazana azy ireny dia hisy akony goavana amin’ny fampandrosoana izany.
Pati
Legende : Tsy tokony ankinina irery amin’ny mpanabe any an-tsekoly ny fanabeazana ny ankizy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT