Fampianarana

Fanabeazana Miverina an-tsekoly ireo hiatrika fanadinam-panjakana


  • Alatsinainy 03 Mey 2021

Mitovitovy tamin’ny zava-nisy herintaona lasa izay no mitranga eo amin’ny sehatry ny fampianarana.

 

Miverina an-tsekoly manomboka anio alatsinainy ireo mpianatra hanala ny fanadinana ofisialy dia ny CEPE, BEPC ary BAKALOREA ho an’ireo faritra mikatona dia Analamanga, Atsinanana, Sava miampy an’i Vakinankaratra sy Matsiatra Ambony.Tsy mbola miverina an-tsekoly kosa ny kilasy ankoatran’ireo.Efa maro moa ireo sekoly tsy miankina no tsy niandry ny resaky ny filoham-pirenena ny alahady alina iny fa efa roa herinandro izay no nanomboka nanome enti-mody sy lesona ary mazava ho azy nitaky saram-pianarana volana aprily ihany koa.Afaka 15 andro indray izany no ho fantatra ny momba ireo kilasy ankoatry ny 7ème sy 3ème ary Terminale ho an’ireo faritra 6 mikatona; ny any amin’ny faritra tsy mikatona moa dia miverina amin’ny laoniny ny fampianarana amin’ny sokajy rehetra.Tsy maintsy manaja ny fepetra ireo sekoly raha ny toromarika ary inoana moa fa mbola hitondra fanazavana misimisy kokoa ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT