Fampianarana

Fanabeazana Mivadibadika ny minisitra ?


  • Talata 13 Febroary 2018

Anisan’ny nampalaza ny minisitry ny fampianarana ambaratonga faharoa sy fanabeazana fototra Rabary Paul ny fahasahiany. Lasa nitombo ny mpiasam-panjakana mpampianatra (10.000 isan-taona), maimaimpoana ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana Cepe sy Bepc.

Amin’ity taom-pianarana 2017-18 ity anefa  lasa handoavam-bola indray izy io, miovaova isaky ny CISCO. Misy ny nampandoavina 1000 ariary ho an`ny CEPE, nisy ny nampandoavina 3 000 ariary ho an`ny BEPC. Hatramin’izay dia nisy ny solon’ny vovoka lakre (Subvention) fanome ireo mpampianatra. Amin’izao anefa vitsy sisa no nahazo, indrindra ny tsy miankina. Nisy ireo sekoly izay tsy nahazo mihitsy ny mpampianatra ambaratonga faharoa tao aminy. Nasaina namerina nameno fiche de vacation ireo mpitsara BEPC 2017 tao amin`ny lycee teto an-drenivohitra. Novana daholo ny fiche teo aloha.  Ireo niasa 5 na 4 andro dia novana ho 3 andro daholo. Marihina fa 30 000Ar isan’andro izy io. Ny minisitry ny fanabeazana koa no mbola nahasahy nanova ny tetiandrom-pampianarana in-droa ao anatin’ny taona iray vokatry ny pesta. Hitondra vokany tsara ve io fivadibadihana io sa handentika ny fampianarana ka hampihena ny salam-pahavitrihana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny mpianatra ?

Nangonin-dRabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Zoma 12 Jona 2026

Nitondra am-bavaka ny

Hijery ny tohiny
FTT