Fanabeazana maha olompirenena

«Ny mpiasan’ny kaominina no tokony ho filamatry ny mponina!»


  • Talata 03 Jona 2025

Apetraka ho isan’ny zava-dehibe, indrindra, amin’ny lafiny fahasalamana ny resaka

fahadiovana eto amin’ny kaominin’Antehiroka, hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana, Toky Harilanto Andrianarivelo. Isan’ny vinan’ny tena amin’ny maha ben’ny tanàna sy renim-pianakaviana, hoy izy, ny hanentana ny taranaka fara-mandimby hitandrina ny fahadiovan’ny tanàna satria tanàna tena nadio Antehiroka fahiny. Ankehitriny, lasa tsy maha menatra ny olona ny manarinary fako eny rehetra eny. Nanokana, noho izany, ny kaominina, isaky ny zoma maraina, ny mpiasan’ny kaominina rehetra tsy an-kanavaka miaraka amin’ny zandarimaria sy ny fokontany, mijoro ho filamatra amin’izany fanadiovana ny tanàna izany. Izahay mihitsy no mitarika ary manentana ny olona izay afaka, fa tsy ifanerena akory, hiaraka hanadio ity tanàna ahitàna fokontany miisa 9 ity. Vao nandray ny fitantanana ny kaominina ny ben’ny tanàna vaovao dia efa nampizatra izany hisarihina ny sain’ireo mponina ny amin’ny maha zava-dehibe ny atao hoe fahadiovana. Mbola manentana foana hoe andao hampianarina ny taranaka mba hadio satria io ihany no ahafahana miady amin’ny aretina samihafa! Ankoatran’izay dia eo koa ny hetsika fambolen-kazo satria manana mpiara-miasa ny kaominina ka izay fokontany hita ho efa madio dia omena zanakazo. Fanabeazana maha olompirenena mihitsy no atao ao anatin’izany ary tena hoe ny ankizy aloha no mila sarihina voalohany hanana kolontsain’ny fitiavana fahadiovana. Apetraka ho isan’ny fanabeazana koa izay famerenana kolontsaina izay satria ny ankizy amin’izao tsy mahalala miarahaba intsony. Tsy mahalala mamangy amin’ny fahoriana. Ny olon-dehibe foana no mamangy. Hanaovana antsoavo mihitsy izao ireo sanatria tra-pahoriana mba hanatitra ny fera-para ety anivon’ny kaominina mba hanaovana ny fanentanana hatrany hoe tanan-kavia sy havanana, izay didia-maharary. Eo koa ny fisarihana ny ankizy ho tia mamaky boky. Betsaka ny vina mikasika izay fanabeazana maha olompirenena izay ho an’ny kaominin’Antehiroka, hoy hatrany ny ben’ny tanàna, satria ny mpiasan’ny kaominina no tokony ho filamatry ny mponina amin’izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT