Fampianarana

Fanabeazana maha olom-pirenena Hatao taranja manokana


  • Zoma 04 Aogositra 2017

Laharam-pahamehana ao anatin'ny teti-pivoarana ho an'ny fanabeazana (PSE) ny fametrahana fanabeazana mangarahara ao anaty tontolo mahafinaritra mikendry sy mikolokolo ny ankizy ho tonga olom-pirenena vanona

. Hisy ny fametrahana ny taranja mikasika izany dia ny fanabeazana maha olom-pirenena na "Education Civique" ho taranja mahaleotena manomboka any amin'ny garabola ary amin'ny kilasy rehetra. Eo ihany koa ny fametrahana ny sata ara-pitondran-tena na "Charte de bonne conduite" isaky ny kilasy manomboka ny fidirana taom-pianarana 2017-2018 . Voizina eo anivon’ny Ofisy momba ny Fanabeazana ho an’ny daholobe sy maha olom-pirenena na OEMC izay sampan-draharaha eo anivon’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena izany. Mikasika ny resaka fanabeazana ihany, dia namorona “logiciel” vaovao hanaraha-maso ny fomba fandoavana ny karaman’ny mpampianatra ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Natao hikirakirana ny fandoavana ny fanampiana ho an’ireo mpampianatra tsy karamain’ny fanjakana izany. Tanjona ny hisian’ny fanaraha-maso matotra sy hanamorana ny fifampitam-baovao. Fanadiovana mihitsy no atao mba hisorohana ny hosoka isan-karazany. Azo ampiasaina amin’ny fampidirana mpampianatra manaraka ihany koa io “Logiciel” io. Teknisianina miisa 300 no hofaninana hikirakira izany eny amin’ny Fofikri eny Ankadikely Ilafy. 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT