Fampianarana

Fanabeazana Ilana fahaizana ny mitondra lasi-pibeazana


  • Alarobia 04 Aprily 2018

Fiofanana roa no notontosaina teny amin’ny Cemeam Ilafy ny 24 martsa ka hatramin’ny 31 martsa lasa teo.

            

 Ny iray mikasika ny ekonoma ary ny faharoa kosa dia mpanentana any amin’ny ``colonie de vacances`` na lasi-pibeazana. Mpiofana 11 niatrika ny fiofanana ho mpitambola na econome. Manodidina ny sakafo no tena niofanan’izy ireo ka sakafo ara-pahasalamana sy sakafo mahavelona. Nijery ihany koa ireo karazan-tsokajin-tsakafo tokony ho hita ao ao anatiny rehefa misakafo toy ny gliosida , ny lipida, protida. Tokony ho hita ihany koa ireo otrikaina isan-karazany izay ilain’ny vatana azo avy amin’ny sakafo. Ny fahaiza-mitantana ihany koa dia nanazarana ireo mpiofana nandritra ny fiofanana. Taloha dia ireo ekonoma izay hitondra mpilasy ihany no afaka nandray anjara amin’ny fiofanana. Ankehitriny dia efa nosokafana ho an’ireo izay mila izany any amin’ny fikambanana misy azy na koa ampiasaina ao an-tokantrano. Etsy an-kilany, mpanentana miisa 20 kosa no nahazo fiofanana. Izy ireto indray dia tena hifanakaiky amin’ny ankizy rehefa any amin’ny lasi-pibeazana na colonie de vacances. Niofana amin’ny fanentanana, amin`ny fahaizaina miara-miaina amin’ny olon-kafa, eo koa ny fahaiza-mamorona ary ny maro samihafa. Teo ihany koa ny filaminana any amin’ireny lasy ireny. Ny fahafantarana ny ankizy, tsy adino tamin’izany ihany koa ireo fahaiza-mampilalao ny ankizy. Ilaina fahaizana io fa tsy manao izay tiana atao, fandaharam-potoana voahomana no atao fa tsy izay tiana atao. Ny mpiofana moa dia saika avy amin’ny fikambanana na koa mandeha amin’ny anaran’ny tenany. Mampisokatra ny saina ihany koa. Manamora ny fifandraisana amin’ny hafa. Ny ekipa Cemeam ihany moa no nanatontosa ireo fiofanana ireo. 


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Zoma 12 Jona 2026

Nitondra am-bavaka ny

Hijery ny tohiny
FTT