Fampianarana

Fanabeazana ho amin’ny fandriampahalemana Tontosa teny Andoharanofotsy ny « Peace Camp »


  • Talata 27 Desambra 2022

Notontosaina teny amin’ny École le P’tit Pré Andoharanofotsy miaraka amin’ny mpianatra miisa 200 teo ny faran’ny herinandro iny ny “Peace Camp” na lasin’ny fandriampahalemana ho famaranana ny taom-pianarana.

Nampitaina tamin’ny endrika lalao sy hetsika fanabezana ny lesona miisa12n’ny “Education à la Paix” na fanabeazana ho amin’ny fandriampahalemana, hoy ny fampitam-baovaon’ny rafitra iraisampirenena misehatra amin’izay resaka fandriampahalemana izay na HWPL. Nozaraina ekipa miisa 12 izany ireo mpianatra ary nifampizara sy nandray lesona mahakasika izany. Ny tanjon’ity hetsika ity dia ny hahafahan’ireo mpianatra mandray ny kolontsainan’ny fandriampahalemana ho lova entina manavao sy manatsara ny tontolo misy azy ireo. Amin’ny alalan’ireo lohateny tahaka ny “Fo feno fankasitrahana”, “Fanajana ny zokiolona”, “Ny fanomezana hasina ny harem-pirenena sy ny vakoka ary ny mahaolona”, “Ny lanjan’ny fifandeferana” sy ny maro hafa no nanatanterahana izany, hoy hatrany ny fanazavana. Raha tena mandinika isika dia tsy tokony hisy akory ny ady na ny fifandrinana raha tena azontsika ny dikan’ny fandriampahalemana sy ny lanjany, hoy ny mpianatra iray avy amin’ny kilasy faharoa eo anivon’ity sekoly tsy miankina ity. Nisy ihany koa ny hetsika sosialy notontosain’ny Ecole le P’tit Pré izay fizarana ho an’izao akatoky ny fety izao ho an’ireo olona sahirana teo amin’ny fonkotany manodidina mba hampianarana ireo mpianatra ny fitiavana manome sy mitsinjo ny hafa izay anisan’ny soatoavina vohizina ao amin’ny lesona faha dimin’ny « Education à la Paix », hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT