Fampianarana

Fanabeazana fiarahamonina Namoaka mpanabe miisa 80 ny Omena


  • Alatsinainy 08 Aogositra 2022

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy teo tetsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona ireo andiana mpanabe ara-piarahamonina eo anivon’ny fikambanana tsy miankina Omena. Izy ireto, raha ny fanazavan’ny filoha mpanorina ny fikambanana, Francesca Raoelison

dia avy nandalo fiofanana namantarana ny atao hoe “herisetra ara-tsaina”. Inona no mahatonga izany? Inona no vokany? Rehefa tsy mahay mifehy fihetseham-po dia mety hiteny mandratra dia mitarika izay herisetra ara-tsaina izay. Mitarika amin’ny herisetra ara-batana sy ara-nofo koa izany raha tsy voafehy. Ampianarinay azy ireo izany ary miaraka amin’izay koa ny fampianarana hihaino sy hanakatra ny fihetseham-pon’ny hafa. Hivoaka dia hanomboka hiasa eny amin’ny fiarahamonina izany izao zareo. Hampianatra eny amin’ireo sekoly mihitsy izany fihetseham-po izany. Hitondra vahaolana hisorohana izay herisetra ara-tsaina izay. Nanomboka ny taona 2019 izahay ary mpanabe miisa 80 izany izao no hivoaka anio (TTF: ny sabotsy teo). Misy ny fandraisana mpikambana miisa 50 hatramin’ny 60 isa isan-taona izay omena fiofanana izay alefa eny amin’ny fiarahamonina hanatontosa izay adidiny izay avy eo manomboka eny anivona tokantrano, toeram-piasana, toeram-pianarana, fiarahamonina ankapobeny mihitsy, hoy hatrany ny tenany. Tao anatin’izay 3 taona izay raha maherin’ny 100 no isan’ireo nofanina dia ireo 80 ireo izany no naharitra hatramin’ny farany, hoy kosa I Miantso Soloarison, izay tomponandraikitra eto Madagasikara. Hanomboka amin’izy ireto ny fiovana satria nomena azy ny nilaina rehetra haha matotra azy ara-pihetseham-po, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT