Fampianarana

Fanabeazana eto Madagasikara Tena tandindomin-doza


  • Sabotsy 11 Aogositra 2018

Nihaona omaly zoma 10 aogositra tetsy amin’ny biraon’ny CONAMEPT (Coalition Nationale Malagasy pour l’Education Pour Tous) Ankorahotra ny fiarahamonim-pirenena sy ny avy ao amin’ny sehatry ny fanabeazana ao amin’ny minisitera niady hevitra momba ny drafi-panarenana ny fampianarana (PSE).

Manoloana izao fitokonan’ny mpampianatra sy ny fikatsoan’ny fanabeazana amin’izao fotoana izao dia tandindomin-doza ny sehatra fampianarana ary ahiana tsy ho tratra ny tanjona. Nojerena manokana hoe hatraiza ny fahatanterahan’ny PSE sy ny ezaka tsy maintsy hiantsorohana sy hotohizana. Nisy ihany  koa ny fihaonan’ny minisitera mivoy ny PSE sy ny sendikaly ho fanatanterahana haingana ny drafitra ankoatra ny efa fifampiresahan’ny fiarahamonim-pirenena sy ireo sendikaly ireo. Nivoitra tamin’ity fihaonana ity ny tsy fahafantaran’ny fiarahamonim-pirenena akory ny fanatanterahana ny  drafitra PSE ka nangatahan’izy ireo fiaraha-miasa amin’ny minisitera. Tsiahivina moa fa efa nisy ny boky nivoaka tamin’ny taona 2016 izay nahafahana namaha ny olana 3 tamin’ireo 20 napetraky ny mpampianatra ary efa napetraka eny amin’ny minisiteran’ny fanabeazana, ny mpiara-miombon’antoka, ny banky iraisam-pirenena. Ankoatra izay ny fangatahana ny fanitsiana ao anatin’ny lalàn’ny tetibola natokana ho an’ny fanabeazana izay tsy nahazoana valiny hatreto.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT