Fanabeazana efa mitotongana

Vao mainka potehina misimisy kokoa!


  • Alatsinainy 04 Novambra 2024

Mitsiriritra sisa ny mpanara-baovao malagasy mahita ny adisisika maharitra sy adihevitra

mila tsy ho tapitra mihitsy ho fanatsarana ny fampianarana sy fanabeazana ao Frantsa ny faran'ny herinandro teo. Ny teto Madagasikara moa dia iny niaraha-nahita sy naheno iny ny fanapahan-kevitry ny fitondrana ankehitriny fa dia ho ajanona indray izany ny tetikasa sasany momba izay fanabeazana izay, mba tsy ilazana hoe nanalana ny famatsiana sy fanampiana tokony ho any amin'ny fanabeazana mba hitondrana vahaolana mikasika ny JIRAMA. Na mpandinika, na mpampianatra tsotra, eny, mpampianatra mpikaroka eny amin'ny anjerimanontolo mihitsy anefa talohan'iny fanapahan-kevitra iny no efa nifandimby naneho hevitra fa mitotongana ny fanabeazana eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Fanabeazana efa mitotongana izany no mbola vao mainka potehina misimisy kokoa, raha jerena amin'ity fanapahan-kevitra voalaza teo ity. Tsy misy sehatra hafa azo kitihina ankoantran'izay resaka fanabeazana sy fampianarana izay ve izany ho fanavotana ity olan'ny JIRAMA ity? Tena voasainan'ireo mpitondra malagasy ve rehefa mivoaka ny vavan'izy ireo isaky ny hoe mba hitondra fanampiana na izay voatsirambin'ny tanana ho an'ny zaza malagasy any amin'ireny karazan-tsekoly sendra lalovany ireny ny lanjan'ilay teny mahazatra hoe "Ny fianarana no lova tsara indrindra."? Tonontononina fahoany fahoany fotsiny ve izany ho an'ny mpitondra ankehitriny? Tena tonga saina marina ve ny fitondrana misy amin'izao fotoana izao fa ireo zaza, ankizy, tanora mpianatra amin'izao ireo no hoavin'ny firenena rahampitso sy rahafakampitso?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT