Noho ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ireo zanaka Malagasy rehetra, dia miato aloha ny tolon’ny mpanabe eto Madagasikara, hoy ny fanambaran’ireo andiana mpampianatra teny amin’ny CEG Antanimbarinandriana, notarihin-dRandrianarivo Hasiniaina omaly.
Nambara fa hiverina hampianatra ny mpampianatra rehetra manerana an’i Madagasikara manomboka anio 20 jolay, indrindra fa ny ato anatin’ny DREN Analamanga. Namaly bontana avy hatrany koa ny an-daniny tarihin-dRatolojanahary Arsène, izay tsy nitsahatra nanohy ny tolona hatrizay teny anoloan’ny minisiteran’ny fanabeazana fa hihamafy aza ny tolona. Ny fitakiana izay natao tsy nisy zavatra nifanarahana fa tolo-kevitra avy amin’ny minisitera natao tery vay manta ireny nambara fa nifanarahana ireny, hoy izy ireo. Ho an’ny eto Antananarivo dia eo amin’ny minisitera hatrany anio zoma 20 jolay 2018 amin ny 9 ora. “Aoka isika ho sahy hijoro manoloana ireo mpamono afo noho ny tombontsoa manokana na fitiavan-tseza”, hoy ny fanentanana. Re moa fa nomena toerana ho lehiben’ny Cisco Antananarivo Renivohitra ny talen’ny CEG Antanimbarinandriana, ary lasa tale any amin’ny minisitera kosa ny lehiben’ny Cisco. Maro ihany koa ireo ray aman-dreny hanampy ny mpanabe amin’ny tolona hataony. Efa re hatrany ivelany ity tolon’ny mpanabe eto Madagasikara ity. Eto Antananarivo no ivon’ny tolona, ka eto no hezahana hamonoana ny afo, ary io mandeha io ny fampiadiana ny samy mpampianatra, kanefa dia saika manerana ny nosy io. Nahatsiaro ho tohina ny tale jeneralin’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT) Guy Rider tamin’ny gazety amerikanina iray " New-York Job" rehefa nandre sy nahafantatra ny karama raisin’ny mpampianatra Malagasy. Olona mendrika homena ny hasiny ao amin’ny firenena iray ny mpampianatra, koa tsy sahaza ary tsy mifanentana amin’ny asa aman’andraikitra sahaniny ny karama 50 dolara isam-bolana, hoy izy. Na ny mpangataka eny amoron-dalana aza, hoy ity tale jeneralin’ny OIT ity, mahazo 4 dolara isan’andro. Raha ny re amin’izao, dia hametraka fitoriana eo anivon’ny OIT sy ny UNICEF ny SEMPAMA.Mazava ny resaka eto fa misy any ambadimbadika any ny paikady hampiadiana ny samy mpampianatra mba hamparefo ny tolona satria ny fitondram-panjakana dia efa mazava ny heviny fa tsy azo tontosaina amin’ity volana oktobra ity ny fanomezana ilay tambin-karama 100 000 ariary.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.