Fanabeazam-boho ny teknolojia

Miroso hatrany ny orinasa Ericsson


  • Zoma 26 Janoary 2024

Miroso hatrany ny orinasa Ericsson amin’ny fanabeazam-boho ny

teknolojia sy indostria mikasika ny serasera na TIC aty amin’ny faritra atsinanana na “Moyen-Orient sy Afrika, hoy ny fampitam-baovao voaray. Nisy noho izany ny fitsidiham-paritra nataon’ny ekipan’ny fitantanana ity orinasa voalaza teo ity teto Madagasikara ary nihaonan’izy ireo tamin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy eto an-toerana. Tanjona ny hampitombo hatrany ny tanjaky ny fifandraisan-davitra sy ny tontolo nomerika eto an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny Ericsson “Africa in motion” koa izao fitsidihana izao ary mifantoka amin’ny fijerena ny tanjaky ny tekinolojia efa misy eto amintsika mba hahafahana mampitombo izany. Raha ny tatitr’ity orinasa ity ny novambra 2023 dia tombanana ho eo amin’ny 3% isan-taona eo ho eo ny fitombon’ny fampiasana finday enti-tanana aty Afrika sobsaharianina. Raha 940 tapitrisa izany ny taona 2023 dia vinaniana hahatratra 1,1 miliara kosa amin’ny taona 2029. Araka ny voalazan’io tatitra io ihany dia ny tambazotra 5G no tena nahitana fitomboana ny mpampiasa azy, raha ny mikasika ny fifandraisan-davitra, hoy hatrany ny voalaza.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT